Luke 7

1Rehefa nahavita niteny ny zavatra rehetra teo anatrehan’ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao Kapernaomy Izy.

2Ary nisy kapiteny iray nanana mpanompo izay tena najainy, ary narary sy efa akaiky ho faty izy. 3Rehefa nandre ny momban’i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ny Jiosy ho any Aminy izy, hangataka Azy mba ho avy ary hanasitrana ny mpanompony. 4Ary rehefa tonga teo amin’i Jesosy izy ireo, dia nangataka mafy taminy, niteny hoe: “Mendrika ny hanaovanao izany ho azy izy, 5satria tiany ny firenenay, ary izy ilay nanamboatra ny Synagoga ho anay.”

6Koa dia nanohy ny lalany niaraka tamin’izy ireo Jesosy. Fa raha mbola tsy lavitra ny trano Izy, dia nandefa namana ilay kapiteny niteny taminy hoe: “Tompo o, aza manahira-tena Ianao, satria tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho. 7Noho izany dia tsy nihevitra ny tenako ho mendrika hankeo aminao aho, fa mitenena teny iray ihany dia ho sitrana ny mpanompoko. 8Koa satria izao koa dia lehilahy izay ambany fahefana, manana miaramila ao ambaniko koa. Hoy aho amin’ity iray ity hoe: ‘Mandehana,’ dia mandeha izy, ary amin’ny iray hafa: ‘Avia,’ dia tamy izy, ary amin’ny mpanompoko hoe: ‘Ataovy ity,’ ary dia ataony izany.”

9Rehefa nandre izany Jesosy, dia talanjona taminy Izy, ary nitodika tamin’ireo vahoaka izay nanaraka Azy dia nanao hoe: “Lazaiko aminareo, fa na dia tany Israely aza tsy nahitako finoana toy izao.” 10Rehefa niverina tany an-trano ireo izay nirahana, dia nahita fa salama tsara ilay mpanompo.

11Taoriana kelin’izany, dia nandeha tany amin’ny tanàna atao hoe Naina i Jesosy, ary niaraka taminy ireo mpianany sy ireo vahoaka maro be. 12Raha nanakaiky ny vavahadin’ny tanàna Izy, indro, nisy lehilahy iray efa maty nentina nivoaka, zanaka lahy tokan’ny reniny (izay mpitondratena), ary vahoaka maro be avy ao amin’ny tanàna no niaraka taminy. 13Nony nahita azy ny Tompo, dia honena tanteraka azy ka nanao taminy hoe: “Aza mitomany.” 14Avy eo dia niakatra Izy ary nikasika an’ilay vata izay nitondran’izy ireo ilay razana, ary nijanona ireo nitondra izany. Hoy Izy hoe: “Ry tovolahy, hoy Aho aminao, miarena.” 15Dia niarina ilay maty ka nanomboka niteny, ary Jesosy nanolotra azy teo amin’ny reniny.

16Nandresy azy rehetra ny tahotra, ka nanohy nidera an’Andriamanatra hatrany izy ireo, niteny hoe: “Mpaminany lehibe no natsangana eto amintsika” ary “Andriamanitra nitsinjo ny olony.” 17Ity vaovao momban’i Jesosy ity dia niely nanerana an’i Jodia sy ireo faritra manodidina rehetra.

18Ireo mpianatr’i Jaona niteny taminy ny momba ireo zavatra ireo. 19Dia niantso anankiroa tamin’ireo mpianany Jaona ka naniraka azy ireo ho any amin’ny Tompo mba hiteny hoe: “Ianao ve ilay ho avy, sa tokony mbola hijery hafa izahay?” 20Ary rehefa nanatona akaiky an’i Jesosy izy ireo, dia hoy ireo lehilahy hoe: “Jaona mpanao batisa no naniraka anay aty aminao hanontany hoe: ‘Ianao ve ilay ho avy, sa tokony mbola hijery hafa izahay?”’

21Ary tamin’izany ora izany dia nahasitrana olona maro tamin’ny aretina sy fahoriana ary fanaintainana avy amin’ireo fanahy ratsy Izy, ary olona jamba maro no napahiratiny. 22Jesosy namaly ka niteny tamin’izy ireo hoe: “Rehefa avy nandeha tamin’ny lalanareo ianareo, tatero amin’i Jaona izay hitanareo sy renareo. Nahiratra ny jamba, nandeha ny malemy, ireo nadio ny boka, nandre ny marenina, nitsangan-ko velona ny maty, ary nitoriana ny filazantsara ny olona anatin’ny tsy fahmapiana. 23Sambatra ny olona izay tsy mitsahatra ny mino Ahy nohon’ny ataoko.”

24Ary nony lasa ireo irak’iJaona, dia nanomboka niteny tamin’ny vahoaka Jesosy ny momban’i Jaona hoe: “Hijery inona no nivoahanareo tany an’efitra? Volotara nahozongozon’ny rivotra ve? 25Fa hijery inona no nivohanareo tany? Lehilahy miakanjo soa ve? Jereo, ireo izay mitafy akanjo lafo vidy sy ireo miaina ao amin’ny fiainana soa dia ao amin’ny lapan’ny mpanjaka. 26Fa hijery inona no nivohanareo tany? Mpaminany ve? Eny, hoy Aho aminareo, ary mihoatra lavitra noho ny mpaminany.

27Izy no ilay voasoratra hoe: ‘Indro, alefako mialoha anao ny mpitondra hafatro, izay hanomana ny lalanao mialoha anao.’ 28Lazaiko aminareo, fa aminareo izay natera-behivavy dia tsy misy lehibe noho Jaona. Nefa ilay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia lehibe noho izy.”

29(Rehefa naheno izany ny olona rehetra, anisan’izany ireo mpamory hetra, dia nanambara fa marina Andriamanitra, satria natao batisa tamin’ny batisan’i Jaona izy ireo. 30Fa ireo Fariseo sy ireo mpahay lalàna Jiosy kosa nandà ny tanjon’ Andriamanitra ho an’ny tenan’izy ireo, satria tsy nataon’i Jaona batisa.)

31“Amin’ny ionana, ary, no afahako mampitaha ny olona amin’ity taranaka ity? Tahaka ny inona moa izy ireo? 32Tahaka ny ankizy milalao eny an-tsena izy ireo, izay mipetraka sy mifampiantso ary miteny hoe: ‘Nitsoka sodina ho anareo izahay, dia tsy nandihy ianareo. Nanao hira fisaonana ho anareo izahay, dia tsy nitomany ianareo.’

33Fa Jaona mpanao Batisa tonga tsy nihinana mofo ary tsy nisotro divay, dia hoy ianareo hoe: ‘Misy demonia izy.’ 34Ny Zanak’Olona tonga nihinana sy nisotro, dia hoy ianareo hoe: ‘Jereo, fa tenda-kanina sy mpisotro Izy, naman’ireo mpamory hetra sy mpanota!” 35Fa ny fahendrena dia voamarina amin’ny zanany rehetra.”

36Ary ny iray tamin’ireo Fariseo nanasa an’i Jesosy hisakafo miaraka taminy. Koa rehefa avy niditra tao an-tranon’ilay Fariseo Jesosy, dia nipetraka hihinana teo amin’ny latabatra. 37Indro, nisy vehivavy tao an-tanàna izay mpanota. Ary rehefa nahatsikaritra izy fa nipetraka teo amin’ny latabatra tao an-tranon’ilay Fariseo Izy, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy. 38Ary raha nitsangana taoriany teo akaikin’ny tongony izy, dia nitomany, ka nanomboka nandena ny tongony tamin’ny ranomasony, ka dia nofafany tamin’ny volon-dohany ireo sady nanoroka ny tongony ary nanosotra ireo tamin’ny menaka manitra.

39Rehefa nahita izany ilay Fariseo nanasa an’i Jesosy, dia nieritreritra, niteny hoe: “Raha mpaminany ito lehilahy ito, dia tokony ho fantany hoe karazana vehivavy manao ahoana io mikitika Azy io, fa mpanota io.” 40Jesosy namaly ka niteny taminy hoe: “Simona, misy zavatra ho teneniko aminao.” Hoy izy hoe: “Lazao izany, Mpampiantra o!”

41Jesosy niteny hoe: “Nisy mpampindra-bola nanana mpitrosa roa lahy. Ny iray dia tokony andoa diman-jato denaria, ny iray dimam-polo. 42Rehefa tsy afaka nanefa izany taminy izy ireo, dia samy navelany izy roa lahy. Noho izany, iza amin’izy roa lahy no ho tia Azy kokoa?” 43Simona namaly Azy ka niteny hoe: “Heveriko fa ilay namoizany be.” Dia hoy Jesosy taminy hoe: “Marina ny fitsaranao.”

44Ary Jesosy nitodika tany amin’ilay vehivavy ka niteny tamin’i Simona hoe: “Hitanao io vehivevy io. Niditra tato an-tranonao Aho. Tsy nanome rano hanasana ny tongotro ianao, fa izy nahakotsa ireo tongotro tamin’ny ranomasony ary namafa azy ireo tamin’ny volon-dohany. 45Tsy nanoroka Ahy ianao, fa hatr’izay nidirako tato dia tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro izy.

46Tsy nosoranao diloilo ny lohako, fa izy nanosotra ny tongotro tamin’ny menaka manitra. 47Noho izany dia milaza aminao Aho fa, ireo fahotany, izay maro, dia voavela _ satria izy be fitiavana. Fa izay navela kely, dia tia kely.”

48Dia hoy Izy taminy hoe: “Voavela ireo fahotanao.” 49Ireo niara-nipetraka nihinana teo dia nanomboka nifampiresaka teo amin’izy ireo hoe: “Iza moa Ity no dia mamela ireo heloka?” Avy eo hoy Jesosy tamin-dravehivavy hoe: “Ny finoanao no nahavonjy anao. Mandehana am-piadanana.”

50

Copyright information for PltULB